Fifamoivoizana

Lavaka be eny Ampefiloha Miteraka fitohanana, ahiana hitera-doza…


  • Talata 27 Aogositra 2019

Manaitra ny tompon’andraikitra amin’ny fahasimban’ny lalana mampifandray eto an-drenivohitra ny ankamaroan`ireo mpampiasa lalana.

 

 Na ao anaty fanamboarana aza isika amin`izao, tokony hisy fikojakojana ihany koa..  Ohatra etsy Ampefiloha, misy lavaka be afovoan`ny arabe izay mampidi-doza sady miteraka fitohanana, indrindra rehefa harivariva. Zary miteraka fahaterena ireo lavaka ireo satria kely monja no azo hizorana ary io no ifampizaran’ny an-daniny sy ny an-kilany avy. Toy izany koa nydigy manomboka eny Adohatapenaka hatrany amin’ny Fasany karana. Manaratsy endrika ny tanàna ireny sady mamotika fiara ihany koa. Misy koa ny mpitondra fiara no tsy manaja lalana, mirimorimo tsy mitandrina ka mandena ranom-potaka ny mpandeha an-tongotra. Lasa tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fitondrana fiarakodia sy ny takelaby famantarana ilay haratsian-dalana. Manararaotra mangalatra manao hitsin-dalana ny mpamily noho ireo lavaka, raha vao tsy misy polisy miambina. Miendaka ny tara na godorao ka iandronan’ny rano. Mety hitera-doza izy ireny raha tsy mitandrina ny voatondron’ny takelaby mitsatoka eran’ny sisin-dalana.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT