Fifamoivoizana

Lasibatra hatrany ny vahoaka Mety hiakatra 800 Ar ny saran-dalan’ny Taxibe


  • Talata 25 Jolay 2023

Vao maika ho tafiditra lalina anaty fahasahiranana ny Malagasy. Ankoatra ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina

amin’ny fiainana andavanandro mantsy dia fantatra fa hampiakatra ny saran-dalany ho 800 Ar ihany koa ny fivondronan’ireo mpitatitra eto Antananarivo renivohitra na ny UCTU manomboka amin’ny fiandohan’ny volana Aogositra ho avy izao. MIKOLAY Mikolay avokoa ireo mpitatitra eto Antananarivo renivohitra fa mafy ny mahazo azy ireo. Noho ny fitohanana lavareny sy ny haratsian-dalana izay tsy ahitan’ny fanjakana vahaolana mihitsy no nambaran’izy ireo fa anton’izany. Hatao ora roa isaky ny mandeha ohatra ny avy any Itaosy Atsimondrano miazo an’Analakely. Ora iray sy sasany eo kosa ny miverina noho ny fitohanana lavareny. Tsy mahavita afa-tsy toro 5 raha betsaka noho izany ny taxibe iray nefa manenjika versement 60.000 Ar isaky ny fiara raha kely miampy ny vola entin’izy ireo mody ho an’ny vady aman-janany. Manampy trotraka izany hoy izy ireo ny fiakaran’ny vidin’ireo kojakoja ilaina amin’ny fiara, antony nanosika azy ireo hampiakatra saran-dalana.
MBOLA AO ANATIN’NY DINIKA
Rehefa nanontaniana ny mikasika izany ny filohan’ny UCTU dia nambarany fa mbola ao anatin’ny dinika tanteraka izy ireo. Omaly ohatra dia nihaona tamin’ny talen’ny fitaterana eo anivon’ny kaominina Antananarivo renivohitra izy ireo ary nilaza fa mbola vinavina ihany io fampakarana saran-dalana io. Rehefa tena tapaka tanteraka kosa ny hevitra avy mifampihaino ny roa tonta hoy izy dia tsy maintsy hanambara amim-pomba ofisialy io fiakaran’ny saran-dalana io izy ireo. Ho an’ireo mpikambana sasany kosa anefa dia misy milaza fa tsy hanaiky io saran-dalana 600 Ar io intsony izy ireo fa tsy maintsy hampiakatra.
TSY FALY
Tohana mafy ny fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa notarihin-dRazafindralambo Lalaina omaly raha nahare io fampiakarana saran-dalana tadiavin’ny mpitatitra eto Antananarivo renivohitra hatao io. Nambarany fa tena fanararaotana ny Malagasy izay efa tena latsaka tanteraka anaty fahasahiranana izao hataon’ireo mpitatitra izao. Tsy mijanona ho an’ireo zotra rezionaly izany hoy izy fa manao ny hataony ihany koa ny zotra an-tanan-dehibe. Miantso ny mpanjifa tsy hanaiky hataon’ny olona tohatra sy fitaovana intsony araka izany ny tenany. Rehefa 600 Ar hoy izy ny saran-dalan’ny taxibe dia izay homanina. Rehefa 50.000 Ar ny saran-dalana miazo an’i Mahajanga dia izay ihany koa aloha ary meteza isika hiray hina hanohitra ny tsy mety. Niantena tany amin’ny Ministeran’ny fitaterana ihany koa ny tenany omaly izay tokony hampiantso ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa sy ny mpitatitra hoy izy izay vao mandray fanapahan-kevitra. Toraka izany koa ny filoham-pirenena izay nomeny hafatra manokana ny amin’ny tokony handraisany ny andraikiny.
MAHAY MIALA BALA
Tsiahivina fa tena fetsy sy mahay miala bala ireto mpitatitra ireto manoloana izao fampiakarana saran-dalana izao. Ny tsy tsapan’izy ireo dia tena fotoana mahamety ny fampiakarana saran-dalana tokoa ve amin’izao fahasahiranana efa tena mihatra aman’aina ho an’ny isam-baravarana izao. Ho an’ny zotra rezionaly ohatra dia mody hampidininy kely ilay saran-dalana 60.000 Ar miazo an’i Mahajanga sy 40.000 Ar miazo an’i Toamasina manomboka amin’ny volana Oktobra raha efa miaina izany ny rehetra nanomboka ny 15 jolay teo. Dia hampiakatra saran-dalana indray hono izy ireo manomboka ny 15 desambra ka hatramin’ny 17 Janoary fotoana kely mba fakan’ny olona sasatra...Raha fehezina dia tena sahirana ny Malagasy. Na ny fotoana hakana rivotra kely aza efa sakanan’ny sasany amin’ny fampiakarana saran-dalana koa inona intsony izany no mba azo antenaina ? Am-bava homana, am-po mieritreritra.
INONA NO MBA VAHAOLAN’NY FANJAKANA ?
Mbola sahy hiteny ihany ve fa voalamina ny fitantanana na mirindra ny fiainam-bahoaka ? Inona no vahaolana avy amin’ny Fanjakana sa handeha indray ny fampanantenana petatoko sy vahaolana manidintsidina sy tandrametaka ka levona ho azy? Sa hoboriboriana amin’ilay fiarovan-tena bontolo sy fanadiovan-tena vao mainka mandranitra vahoaka hoe: mahay mitantana isika fa raha tsy mahay mitantana isika efa 1000Ar io saran-dàlana io? Sa kosa handeha ny tsindry sy fandresen-dahatra hoe: mba ataovy 700Ar mba hanaovana serasera fa niady ho an’ny vahoaka ny Fitondrana? 800Ar aza mampikolay vahoaka ka asa hoe: natao ho an’ny sarambabem-bahoaka tokoa ve ilay teleferika 3000Ar na 4000Ar isaky ny mitaingina ?
Pati sy Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT