Fifamoivoizana

Lamasinina nivadika tao Andekaleka Mpandeha 2 maty, 8 naratra


  • Sabotsy 04 Aogositra 2018

Tra-doza teo amin'ny PK206+600, mifanandrify amin’ny Toby famokarana herinaratry ny Jirama ao Andekaleka ny lamasinina iray an’ny orinasa Madarail antsoina hoe “Diasoa”

ao amin'ny zotra TCE mampitohy an’i Moramanga sy Brickaville. Omaly 1 aogositra tokony ho tamin’ny 3 ora tolandro teo no nisehoan’ny loza, ka raha ny fanazavana vonjimaika dia raha izy hiditra ny tetezan'ny Jirama teo Andekaleka iny no latsaka ny "wagon", ka izay no nitarika ny loza. Raha ny vaovao azo farany omaly hariva hatrany moa, dia olona 2 no namoy ny ainy ary 8 no naratra nandritra ity loza an-dalamby ity tsy dia fahita ity, ka ny 4 nalefa notsaboina ao Moramanga. Tsy dia fampiasa firy na koa tsy dia malaza loatra rahateo ny fitaterana an-dalamby eto amintsika satria na ny fotodrafitrasa na ny fitaovana aza, dia efa nolovaina tamin’ny fanjanahan-tany. Ilaina sy manampy betsaka anefa io. Tsetsatsetsa tsy aritra ihany koa ny hilazana hoe fifandrifian-javatra ve sa ahoana fa herintaona katroka omaly nisian’ny loza no nitokan’ny filoha Hery Rajaonarimampianina ny tetezan'i Sanjavavy ao Lohariandava Brickaville PK215+600, izay mitetim-bidy 2 miliara ariary? Omaly hariva, dia naneho ny fiaraha-miory sy nirary fiononana feno ho an’ireo fianakaviana namoy havana, ary mirary fahasitranana haingana ihany koa ho an’ireo naratra ny Praiminisitra Ntsay Chrisitan, ary hidina any an-toerana handray an-tànana ireo niharan-boina ny tenany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT