Nitrangana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina teny amin' ny lalam-baovaon’ny Frankofonia na ny "ROCADE" Andohatapenaka, omaly 11 septambra manodidina ny tamin’ny 10 ora alina.
Fiara 4X4 marika Toyota Prado no tra-doza teny an-toerana ka potika tanteraka. Tsy fantatra mazava izay anton’ny loza. Olona miisa 3 no tao anatiny, ka 1 no namoy ny ainy ary 2 naratra mafy sy miady amin’ny fahafatesana, raha ny vaovao vonjimaika azo. Tsy vao izao no nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tamin’iny lalana “Digue” sy ny manodidina iny, fa efa matetika. Vao ny 24 aogositra teo mantsy no nisehoan’ny loza namoizana ain’olona roa vokatry ny fidonan’ny fiara marika Renault Mégane tamina rindrim-bato. Raha ny tombantombana, dia vokatry ny fandehanana mafy sodokan’ny lalana mahitsy no niteraka ny loza. Anisan’ny olana eny an-toerana ny tsy fahampian’ny takelaby famantarana ny tondro amin’ny fifamoivoizana. Mamitaka ihany koa ny lalana nisehoan’ny loza satria tonga dia mifanapaka mijidina avy hatrany rehefa handray ny “Digue”, ka maro no mety voafitaka, indrindra amin’ny alina. Manampy trotraka ny haizina amin’ny faritra sasany vokatry ny fahaverezan’ireo jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro manazava ny lalana noho ny halatra. Mifangaro eny an-toerana ny tahotra amin’ny mpanao ratsy satria misy amin’ireo fiara no matahotra fanendahana na ho lasibatr’ireo olon-dratsy raha tojo maizina, ka alaim-panahy handeha mafy. Tsy hay aloha na mety hitombina na finoanoam-poana ny petra-kevitry ny olona sasany, izay milaza fa misy lolo amin’iny toerana iny ka maka olona matetika. Na izany na tsy izany, misy andraikitra be dia be avy amin’ny fanjakana ireny sehon-javatra ireny. Raha tsiahivina, natao petatoko ny namitana ny fotodrafitrasa, izay nanenjehana ny fihaonamben’ny Frankofonia ny volana novambra 2016. Mampametra-panontaniana ihany koa hoe mba nisy ve ny fepetra noraisina taorian’ny loza niseho teo aloha ? Aiza ho aiza ny andraikitry ny mpitandro ny filaminana ? Tsy milamina mantsy iny faritra iny ? Ilaina hatrany ny mitandrina rehefa manjohy iny lalana iny sy ny lalam-pirenena rehetra satria sesilany ny loza tato ho ato. Antony betsaka mitera-doza ihany koa ny fandraisana alikaola eo am-pamiliana, ka ilaina ny mifehy tena mba tsy ho tojo ny patsa iray tsy omby vava.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.