Fifamoivoizana

Làlanna miakatra an’Ambohidratrimo Nampiteny ny moana ny toham-boivoy


  • Alakamisy 13 Janoary 2022

Nampiteny ny moana, hoy ny fitenenana izay, ny fitohanan’ny fifamoivoizana niakatra an'Ambohidratrimo hatrany aloha kelin'i Talatamaty iny ny tolakandron’ny omaly izay.

Araka ny fampitam-baovao voaray dia misy lalana amboarina eo amin’ny kaominin’Ambohidratrimo ka anton’ity tohamboivoy nampikaikaika ireo nampiasa iny lalana iny ity. Azo lazaina efa an-taonany maro ihany no nametrahana ny fanontaniana hoe fa inona no antony tsy hanatontosana ny karazana asa toy itony amin’ny andro alina eto Madagasikara tahaka ny hita any amin’ireo firenena mandroso? Tsy maintsy aseho ho hitan’ny olona amin’ny andro atoandro ve izany fa raha tsy izany tsy hitan’ireo olompirenena hoe miasa ny mpitondra na ny fitondrana? Ny bainga voavadika no vavolombelon’ny asa, hoy ny ohabolan-drazana izay. Heverina fa tsy fisehosehoana akory angamba no dikan’izany. ny asa vita koa no ifampitsarana, hoy ilay, mpanao politika malaza dia malaza izay sy ny antoko tarihiny. Fantatry ny olona foana ianao hoe niasa no dikan’izany rehefa hitany eo ny vokatr’izay asa natao izay fa tsy voatery hampaneno lakolosy hatrany hoe jereo izahay fa miasa!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT