Fifamoivoizana

Lalana “Voie rapide” 10 km ao Toamasina Efa ho 4 taona taona izay ny vato fototra


  • Alatsinainy 07 Novambra 2022

Vita ny sonia, fakana sary, kabary, ary ho avy ny fametrahana vato fototra mikasika ny fanamboarana “autoroute” mampitohy an’I Toamasina-Ambatondrazaka-Antananarivo.

Eo anatrehan’ireny, mifoha ny fampanantenana tsy tanteraka. Ny 7 aprily 2019 no napetraky ny Filoha Rajoelina ny vato fehizoron’ny fanamboarana ny lalam-be na « voie rapide » 10 km latsaka kely mampitohy ny seranatsambon’i Toamasina mipàka amin’ny lalam-pirenena faharoa. Lalam-be migodana na “autoroute” mirefy 9,866 km manomboka eo amin'ny seranantsambon'i Toamasina ka hatreny amin'ny fivoahana amin'ny lalam-pirenena faharoa eny Tsarakofafa. Ny 18 martsa 2019 dia mbola niverina tany I Andry Rajoelina. Nilaza fa hanomboka avy hatrany ny asa izay haharitra roa taona ka hizara ampahany roa. Ny voalohany dia ny fanitarana ny lalana RN2Bis izay mirefy 3,606km ary ny faharoa kosa dia ny fanorenana lalana vaovao hanomboka eo amin'ny tetezan'i Pangalana ka hatreny amin'ny seranantsambo, mirefy 6,260km. Lalana mirefy 9,866km izany no totaliny no hatao, izay hirefy 22,5metatra ny sakany ka hamaha ny olan'ny fifamezivezena eo amin'ny renivohitra ara-toe-karen'i Madagasikara. Nambara tamin’izany fa miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana ho fanatanterahana ity tetikasa ity ny orinasa AFECC sy ny fanjakana sinoa. «Tsy nofinofy fa asa avy hatrany no tanterahina eto Toamasina ary tsy hiandrasana fotoana maharitra ny fanaovana ireo asa rehetra nampanantenaina » hoy ny filoha Andry Rajoelina. "Tsy maintsy hampandrosoantsika i Toamasina ary hasehontsika ireo izay mbola tsy mino fa tanterahantsika ny fanarenana an’i Madagasikara ary ataontsika anatin’ny fotoana fohy ary azo tsapain-tanana sy hisongadina izany" hoy hatrany I Andry Rajoelina izany. Anjaran’ny rehetra no mitsara hoe: araka ny fampanantenany ve ny nataony? 10 km aza 4 taona tsy vita ka hanao ahoana ny fanamboarana ny 260 km ao anatin’ny 4 taona? Voaporofo hatrany fa ny sehoseho sy ny fametrahana vato fototra no lehibe indrindra, fa izay fanatanterahana any eny am-pandrasana mahita ny atiny ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT