Fifamoivoizana

Lalàna vaovao mifehy ny fifamoivoizana Toherin’ireo mpitatitra ny fampiharana azy


  • Alakamisy 16 Mey 2019

Somary nisy fifanoherana kely ihany ny fihaonana teo amin’ireo mpitatitra sy ny mpitandro ny filaminana ary ny birao mahaleotena iadiana amin’ny kolikoly sy ny Pnud omaly tetsy amin’ny le pavé Antaninarenina.

 

 Tamin’ny ankapobeny, tsy neken’ireo mpitatitra ny fampahafantarana ny fampiharana ilay lalàna vaovao mifehy ny fifamoivoizana izay tsy nakana ny hevitr’izy ireo akory. Anisan’izany ny fampiharana ilay lamandy 1 hetsy ka hatramin’ny 5 tapitrisa Ar ho an’ireo izay mandika lalàna. Toraka izany koa ny fanomezana alalana ireo mpitatitra hafa toy ny sarety tarihin’omby sy ny mpitarika posy izay afaka hampiasa ny lalana rehetra eto an-drenivohitra. Nambaran-dRaharinirina Clemence izay nisolotena ny mpitatitra fa  mahafinaritra ny finiavana ananan’ireo mpikarakara saingy rehefa misy zavatra hifanarahana tahaka izao dia ilaina hatrany ny fakana ny hevitry ny tsirairay mba tsy hisian’ny fifanomezan-tsiny. Mangataka ny hamerenana ny fandinihana io lalàna vaovao mifehy ny fifamoivoizana io izy ireo. Ho an’ireo mpitatitra manokana dia fantatra fa hivory maika izy ireo ato ho ato.

 

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT