Fifamoivoizana

Lalana Vangaindrano - Taolagnaro Nitsirika ny fandrosoan’ny asa ny ministeran’ny fitaterana


  • Alatsinainy 28 Novambra 2022

Nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboaran-dalana any amin'ny lalam-pirenena faha-12A (RNT12A) ny delegasionin’ny

Minisitera izay notarihin'Andriamatoa Minisitra Hatrefindrazana Jerry sy ireo solontenan'ny Banky iraisam-pirenena ary ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Mizara roa lehibe ny asa hatao amin’ny lalam-pirenena faha-12A raha tsiahivina. Anisan’ireny ny « Lot » voalohany izay fanamboarana ho tara ny lalana mirefy 35 km mampitohy an'i Somisika PK 165+400 sy Masianaka PK 172+200. Eo koa ny « lot » faharoa, fanamboarana ny tetezan'i Manambondro izay mirefy 104 m indray ity farany. Nisy ny fitsidihana ny "carrière" izay hakana ireo vato hampiasaina; ny fanamboarana ireo "Base vie" ary ny lisea ao Manambondro. Nandritra ny fivoriana izay natao, dia nanamafy ny minisitra ny amin'ny fanajana ny kalitao sy ny fenitry ny asa izay nifanarahana. Ny fitandrovana hatrany ny fiaraha-monina eo amin'ireo mpiasa sy ny mpampiasa ary indrindra eo amin'ny fifandraisana amin'ny vahoaka any an-toerana no tanjona. Ny orinasa WIETC no manatanteraka ireo asa amin'ireo « Lot » roa ireo. Ny tetikasa PACT (Projet d'Appui à la Connectivité des Transports) izay vatsian'ny Banky iraisam-pirenena vola no miandraikitra sy mandrindra ny asa fanamboarana.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT