Fifamoivoizana

Lalana Tsarasaotra- Ivato Potika sahady


  • Sabotsy 28 Oktobra 2017

Potika sahady ilay lalam-baovao eny Tsarasaotra Ivato izay vao avy nandraisana ireo vahiny tonga teto amintsika nandritra ny fihaonambe an-tampony ho an’ireo tany miteny frantsay manontolo na amin’ny ampahany farany teo.

 

 Raha araka ny fanazavan’ireo mponina eny an-toerana anefa dia tsy niasa  intsony ity lalana ity  raha tsy vao tamin’ny fiandohan’ny herinandro teo indray nandritra ny fandalovan’ilay mpanjakavavy Anne, zanaka vavitokan’ny mpanjaka vavin’ny Grande Bretagne teto amintsika fa nikatona hatrany.  Izay fiara  nandoa vola ihany, araka izany, no afaka nampiasa ity lalana ity hoy hatrany ireo mponina. Fanontaniana mipetraka ny antony nahapotika haingana sahady ity lalam-baovao iray eny Tsarasaotra Ivato  ity nefa tsy nisy nampiasa akory.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT