Làlana Tsarasaotra-Ivato

Mpitondra moto vao 19 taona maty tsy tra-drano


  • Alarobia 24 Janoary 2024

Tovolahy vao 19 taona antsoina hoe Titosy,

mpianatra taona fahatelo ao amin’ny LTP Alarobia, tokony hanala fanadinana Bakalorea amin’ity taona ity, no maty vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny làlana Tsarasaotra-Ivato omaly tokony ho tamin’ny 12 ora sy sasany teo ho eo. Voalaza fa nisongona fiara sy nifanenjika tamin’ny moto izy io, kinanjo nifanehitra tamin’ny kamio, mafy ny fifandonana sy ny fahavoazana, ka nitarika tany amin’ny famoizany ny ainy. Tafasitrika tao ambany kamio ilay moto, ilay tovolahy kosa nipitika. Roa lahy izy ireo no niaraka, samy nitondra moto, ary an-dalana hody eny Ivato no izao tra-doza izao. Tsiahivina fa voafetra ho 60km/ora ny hafainganam-pandeha izorana amin'iny lalana mampitohy an'i Tsarasaotra amin'iny Ivato iny.
Nangonin’i Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT