Fifamoivoizana

Lalana Tsarasaotra - Anosy Avaratra Tsy ampy iray volana dia misy simba sahady


  • Alarobia 24 Novambra 2021

Mbola tsy ampy iray volana akory no nampiasana azy dia potika sahady ny lalana mampitohy an’i Tsarasaotra sy Anosy Avaratra, raha ny fampitam-baovao voaray.

Manaitra ny minisiteran’ny asa vaventy sy ny faritra Analamanga, noho izany, ireo mpampiasa ity lalana ity mba handray fepetra haingana fa tsy aharitra ity lalana ity raha izao no mitohy, hoy izy ireo. Saika isaky ny 10 metatra dia misy mitriatra na efa vaky mihitsy, hoy hatrany ny fanazavana. Isan’ny fanontaniana mipetraka moa ny hoe hatraiza ny fetran’ny fanaraha-maso sy fangaraharahana tamin’ny asa fanamboarana itony lalana itony? Toa zary lasa kolontsaina raiki-tampisaka nandritry ny taona vitsivitsy ity ny fiononana amin’ny lalana “bonbon voanjo” sy kitoatoa ? Heverina fa tsy misy idirany loatra amin’ny fitokonan’ireo mpiasan’ny laboratoaran’ny asa vaventy sy ny taotrano ankehitriny izay mbola taty aoriana be kosa angamba!
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT