Fifamoivoizana

Lalana Tsarasaotra –Anosiavaratra Misy fiara be manao bontolo tsotra izao


  • Alarobia 27 Jolay 2022

Dia tena misy tokoa ny olona, na adala na tena tsy miraharaha izany fananam-bahoaka sy soa iombonana izany .

Nisy fiara be manao amboletra mandeha amin’ny lalana mampitohy ny lalam-baovao Tsarasaotra amin’Anosiavaratra ary dia nisy tamin’ireo vy natsatoka hamerana ny haavon’ny fiara mandeha amin’ilay lalana no niongotra tanteraka mihitsy.Ny anton’ireny mantsy dia mba hamerana ny habe sy ny lanjan’ny fiara mandeha amin’ilay lalana ; ka ho anity mankany Anosiavatra ity izao dia ferana ho 2,5 taonina ny vesatry ny fiara.Indrisy anefa fa misy fiara be mihoatra io lanja io izany mandeha, manao amboletra eo ; izay azo antoka fa raha miverimberina matetika dia hanimba ny lalana.Misy antony ara-teknika matoa napetraka ny fetran-dannja afaka mandalo amina ampahan-dalana iray, raha ny fanazavan’ny teknisianina momba ny asa vaventy.Satria tsy hoe arabe ihany no misy ao, izay mety lalan-tany na vita tara na rarivato fa mety misy tetezana ihany koa ka io no tena zava-doza satria raha mihoatra ny vesatra zakany ny fiara mandalo eo dia hirodana ilay tetezana, ary efa nitranga izany taona maromaro lasa izay tany Manakara.Tena hoe mampidi-doza.Tsy eny Tsarasaotra – Anosiavaratra ihany ahitana trangan-javatra fanimbana fananana iombonana tahaka izao fa amina toerana maro, ary matetika amin’ny alina no mangala-dia mandalo amin’ny lalana efa tsy natao ho azy ireo fiara be.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT