Fifamoivoizana

Lalana Toamasina - Foulpointe Potika tanteraka


  • Talata 07 Aogositra 2018

Fotoanan’ny fialantsasatra izao ka toerana anisan`ny maro mpankafy i Foulpointe. Potika tanteraka anefa io lalam-pirenena fahadimy io ankehitriny.

 
Feno lavaka ary tsy misy azo raisina intsony mihitsy. Tsy misy izay tsy mitaraina noho ny faharatsian’ny lalana. Araka ny filazan’ireo mpitondra taksibrosy sy ireo sendra mba saika hiala sasatra any, isaky ny 1km dia ahitana lavaka. Ireo fiara ivaiva moa dia mandany adiny telo eo. Misy no miverin-dalana. Raha avy ny orana dia mitandrina tsara fa misy toerana mandifotra ny antsasaky ny fiara ny rano, hany ka mihena ireo mpandeha amin’iny lalana iny sy mankany amin’ny tanànan’i Foulpointe ankehitriny, nefa fotoana fandehanan’ny olona any izao ary mahabe ny fidiram-bola ao amin’io faritra io. Raha ny filazan’ireo olona mipetraka any an-toerana, efa ela no tsy misy manamboatra io lalana io, ka izay no mahasimba azy. Maro anefa ny hetsika horaisina any amin`ity volana ity toy ny ivon`ny fankalazana ny faha-50 taonan`ny FJKM… Ahitana torapasika sy bungalow tsara ihany koa i Mahambo. Maro ireo olona mifamezivezy amin’iny lalana iny toy ny mpivarotra, mpandraharaha, olo-manankaja. Simba tanteraka ihany koa ny lalana mampitohy an’i Soanierana Ivongo sy Maroantsetra. Milaza ho tsy mitady lalana vita tara ny mponina any fa rehefa azo ivezivezena dia ampy azy. Mampitaraina azy ireo ihany koa ny tsy fahavitan’ny tetezana mampitohy an’i Maroantsetra sy Mananara Avaratra. Aiza ny minisiteran’ny asa vaventy sy ny minisiteran’ny fizahantany amin’io RN5 io ? Aiza ny tahiry fikojakojana ny lalana (FER) ?

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT