Fifamoivoizana

Lalana Toamasina - Foulpointe Mizotra araka ny tokony ho izy ny asa fanamboarana


  • Alakamisy 08 Desambra 2022

Tonga nijery ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5 mampitohy an’i Toamasina sy Foulpointe ny Minisitry ny Asa Vaventy Jerry Hatrefindrazana sy ny Tale Jeneraly Randrianandrasana omaly.

Ny tetikasa PDDR "Projet de Développement Durable des Routes" sy ny CERC "Composante d'intervention d'urgence et de contingence" izay vatsian'ny banky iraisam-pirenena vola raha tsiahivina no tompon'antoka amin'ny asa fanarenana. Mandroso ny asa, ary am-perin’asa tanteraka ny orisana WIETC ankehitriny. Efa nankatoavin’ireo tompon’andraikitra ny anton-taratasy entina hanatanterahana ny asa fanamboarana izay haharitra 12 volana.Nanararaotra nijery ireo asa vonjimaika (izay notanterahina teo amin’ny PK 5+500 sy PK31+650 ireo delegasionina nandritra izany. Nisy hatrany ireo toromarika nomena ny orinasa amin’ny fanatanterahana ny asa, ny fanajana ny kalitao sy ny fenitra nifanarahana. Lalana anisan'ny manana ny lanjany ny lalam-pirenena RNS 5, raha tsiahivina. Porofon’izany ny fivezivezin’ireo fiara nitatitra ny lodisia izay haondrana nandritra ny campagne 2022.
Pati
Legende : Nandritra ny asa fitsidihina notanterahin’ny Ministra omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT