Làlana tapitra potika

Noho ny tsy fikojakojana, tena miantraika any am-bilany…


  • Alakamisy 18 Janoary 2024

Mandany adiny 12 vao vita ny lalana miala avy any Mandritsara mankany Antsohihy,

lalam-pirenena faha-32. Mahatratra 24 ora kosa ho an'ireo fiara vaventy mitondra entana. "Mivatsy karazan-tsakafo no tena mety raha tsy izany lanilany foana ny vola eny an-tanana", hoy i Claudio mpandeha amin’iny lalàm-pirenena iny, hita tamin’ny vaovao an’habaka iray omaly. Tena potika tanteraka vokatry ny tsy fisian’ny fanamboarana sy fikojakojana tao anatin’ny taona maro. Tsy any an-toerana ihany, fa saika manerana ny Nosy, ary betsaka ny faritra mitoka-monina. Efa nanaovana kisehoseho politika nampisehoana « engins » mihitsy izany làlana makany Anosibe an’Ala izany, efa nanaovan’ny depioten’Ikongo antso imbetsaka izany makany Ikongo izany,… Tena mitombona tanteraka anefa ilay hoe : azo hohanina ny làlana satria miankina amin’io ny vidim-piainana. Rehefa ratsy sy potika ny làlana dia sarotra ny fifamezivezen’ny entana ilaina andavan’andro, ny famoaham-bokatra, ny famatsiana entana,… Miakatra ny fandanian-tsolika izay mampiakatra ny mason-karenan’ny fitaterana, ary miakatra mazava ho azy ny vidim-piainana, ka miantraika any am-bilany. Tompon’andraikitra voalohany ny Fanjakana, kanefa tsy mahavita ny asany. Vao ny làlam-pirenena no resaka dia tsy vita, tsy mazava ny fitantanana, tsy fantatra izay alehan’ny vola miditra amin’ny « Fonds Routiers » izay alaina mivantana amin’ny solika vidian’ny mpampiasa fiara,… mainka fa ireo làlana maro mampifandray ny distrika sy kaominina maro. Resaka sy seho ivelany no betsaka, ka ireo ampahany vita izay nisy tao anatin’ny fitohizan’ny fitantanan-draharaham-panjakana no atao litania ny fitanisana azy, fa ireo potika sy tsy noraharahiana noho ny tsy fahaiza-mitantana adino. Tany amin’ny Choiseul Business Africa Forum tany Casablanca Maroc ny novambra 2022 dia nampanantena Atoa Andry Rajoelina fa 6800 ka hatramin’ny 10800 km ny làlana hataony ao anatin’ny 5 taona kanefa ny eo aza tsy voakarakara sy tapitra potika ka mila atomboka amin’ireny angamba.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT