Fifamoivoizana

Lalana tapaka etsy Soanierana Harenina ao anatin’ny roa volana


  • Alatsinainy 19 Aogositra 2019

Efa ho herintaona izao no nijaly fatratra ireo mponina eny Soanierana sy ny manodidina noho ny fihotsahan’ny lalana.

 

Nisy tamin’ireo mponina mihitsy no traboina raha tokantrano roa ankehitriny no tandindomin-doza, izay tena manakaiky io lalana rarivato mihotsaka io. Tonga nihaino ny fitarainan’izy ireo teny an-toerana ny minisitry ny kolontsaina sy ny serasera Rtoa Rakondrazafy Lalatiana Andriatongarivo ny sabotsy teo nandritra ilay hetsika asa tagnamaro andiany fahenina nokarakarainy. Fantatra tamin’izany fa asa tagnamaro aloha no hanombohana ny asa fanarenana ity lalana tapaka etsy Soanierana ity. Hitohy amin’ny fandraisan’ireo teknisianina sy injeniera ny asa izany izay haharitra roa volana eo ho eo. Tsy maintsy hatao beton aloha, hoy ny minisitra ary aorian’izay vao azo hatomboka tanteraka ny asa fanamboarana. Tsiahivina fa ankoatra ity fijerena ny lalana tapaka eny Soanierana ity dia nodiovin’izy ireo niaraka tamin’ny sampana mpamonjy voina ihany koa ireo toerana takontakona fanaovan’ny mponina maloto rehetra eny Analakely toy ny eny Ambodifilao, Tsaralalana.

Pati

Legende : Ho vita tsy ho ela ity lalana tapaka eto Soanierana ity

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT