Fifamoivoizana

Lalana simba sy potika Fositra mampiakatra ny vidim-piainana eto Madagasikara


  • Alatsinainy 22 Jolay 2024

Manahirana fa raha vao miresaka antontanisa sy tarehimarika ratsy toa ny hoe tanàna maloto indrindra,

firenena be kolikoly indrindra, dia tafiditra ao amin’ny lohandohan’ny mpisorona foana i Madagasikara
MAMPIAKATRA NY VIDIM-PIAINANA
Raha ny fanadihadiana navoakan’ny Forum économique Mondial farany indray izao dia tafiditra ao anatin’ireo firenena afrikana 10 misy lalana ratsy indrindra i Madagasikara. Ireto avy izy ireo :Tchad, Sierra Leone, République centrafricaine, Mauritanie, Lesotho, Madagasikara, RD Congo, Angola, Mozambique, Cameroun. Ny ady an-trano, adim-poko, fanonganam-panjakana no mampalaza ny ankamaroan’ireo firenena ireo. Dia tafiditra ao koa izany i Madagasikara ary zavatra efa mampimenomenona ny mpampiasa lalana izy io. Potika avokoa ny lalam-pirenena misy eto, na aiza na aiza aleha dia samy mahafantatra hoe raha halaviran-dalana natao tao anatin’ny adin’ny 6 tany amin’ny 6 na 8 taona lasa ohatra dia andaniana adin’ny 13 na adin’ny 18 amin’izao fotoana. Mahalala tsara izany ireo mpitatitra na olon-tsotra mivezivezy amin’ny RN2, RN4, RN6, RN7…Mbola resaka hafa ny hoe misy tetezana simba na tappaka ka voatery miodina ny lalana. Tena lalam-pirenena be mpampiasa indrindra, sy hiverzivezen’ny entana be indrindra anefa ireo. Dia eo no mahatonga ilay fiakaran’ny saran-dalana sy ny vidin’entana satria mitaraina ho manomboka sempotra ireo mpitatitra, simba ny fiara, mitombo ny fatran’ny solika lany, miha mitombo isa sy vidy ny kojakoja fanolo.
KITOATOAM-PITANTANANA
Tsiahivina kely fa potika ny 85% n’ireo lalana vita teto Madagasika mialohan’ny taona 1960. Lalana voarakotra tara no resaka eto. Ny zavatra mahagaga dia misy ny vola alaina amin’ny vidin-tsolika tokony natokana amin’ny fikojakoana ny lalana ; ka asa hoe nankaiza marina izy ireo. NY zava-mahagaga faharoa, rehefa misy lalana amboarina eto, dia tsy maintsy iverenana amboarina indray afaka herintaona aorian’ny vanim-potoan’ny orana. Manarapenitra ny kitoatoam-pitantanana sy fanamboarana e.
RTT

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT