Fifamoivoizana

Làlana simba Ambatondrazaka-Didy 50 km atao anatin’ny tapa-bolana


  • Talata 11 Jona 2019

Ankoatra ny harena an-kibon’ny tany, toy ny volamena sy safira azy dia isan’ny tena mamokatra ny kaominin’i Didy izay 50km latsaka kely miala an’Ambatondrazaka raha mianatsimo-atsinanana.

 

 

 

Tena mahantra anaty harena anefa noho ny làlana. Tsy tafavoaka ny vokatra ka amidy mora ny vary. Ny vokatra mora simba toy ny akondro moa dia zara raha misy mividy. Potika tanteraka ny làlana, ka herinandro hatramin’ny tapa-bolana vao tonga any an-toerana ny “tracteurs” na kamio 6x6 mitondra entana. Mahatratra 25 000 Arn hatramin’ny 45 000Ar ny sandan’ny “taxi-moto”, izay hany tena fitaterana olona. Manahirana ny famatsiana ireo entana ilaina amin’ny andavanandro satria tato anatin’ny andro maromaro, dia nanomboka nifampitadiavana ohatra ny solika ka mahatratra 5000 Ar ny litatry ny gazoala, ary hatrany amin’ny 7000Ar ny lasantsy. Miantso vonjy amin’ny fanjakana ny olona mba tena hijery sy hitondra vahaolana satria tena mijaly. Misy hazo avy amin’ny fitrandrahana ny ala voajanahary mivoaka tsy tapaka, misy volamena,… kanefa tsy arakaraka ny harena mivoaka ny tamberim-bidy ho an’ny tanàna, raha dinihina amin’ny haratsian’ny làlana.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT