Lalana Rocade Iarivo Tsy azo hivarotana, 50 km

ora ny hafainganam-pandeha


  • Alarobia 30 Jona 2021

Misy mpivarotra mitetika ny hivarotra sahady eny amin’ny lalam-baovao Rocade Iarivo taorian’ny nanokanana ity foto-drafitrasa ity tamim-pomba ofisialy.

 Tsy vitsy ireo efa mamaritra ny toerana hivarotany noho ny hamaroan’ny olona sy ny fiara mivezivezy eny an-toerana isan’andro. Nametraka fepetra avy hatrany ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety na ny ATT manoloana izany. Nambaran’Atoa Reribaky Jeannot tale jeneraliny fa tsy azo hivarotana eny amin’ny Rocade na iza na iza. Tsy azon’ny taxibe hampiasaina ihany koa ny lalana raha afaka mampiasa izany koa ny taxi brousse sy ny fiara lehibe toy ny kamiao. Ho an’ireto farany manokana anefa dia tsy maintsy manaja ny ora voatokana hivoahany izy ireny ary manaja ilay hafainganam-pandeha 50 km isan’ora. Tsy mbola azo hipetrapetrahana ihany koa ilay abris bus eny an-toerana mandrapisian’ny lamina vaovao. Izany rehetra izany no hatao moa dia hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety ateraky ny hamaroan’ny olona eny an-toerana. Anisan’ny tanjona napetraka mantsy ny hanamaivanana ny fahasahiranana ateraky ny fitohanana eto an-drenivohitra indrindra fa ny mivoaka ny lalam-pirenena faharoa.
Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT