Fifamoivoizana

Làlana ratsy be Anosibe-Anosipatrana Mba misy mpitondra mahita ihany ve ?


  • Alatsinainy 06 Desambra 2021

Efa an-taonany no nampitaraina ny rehetra ny làlana miala eo Anosibe mifanandrify amin’ny Farmasia Volahanta, mandalo ny trano 5 sy ry Masera dia mihazo an’Anosipatrana,

 mipoitra eny amin’ny Ekar Ilanivato iny. Misy ampahany tena mampiteny ny moana ny haratsiny, zary lasa ranom-potaka, fotaka mandrevo,… ary saika mandavan-taona tsy maina. Manoatra noho ny any amin’ny làlam-pirenena faha-44 rehefa mamotaka kanefa dia eto an-dRenivohitra. Tena tsy misy manam-pahefana mahita ve sa dia hodiana adala tsotr’izao? Làlana mety 1km raha betsaka indrindra no mila fanamboarana fa tsy hoe: 20km. Mahamenatra raha eto Antananarivo Renivohitra no toy izao, ary làlana tena be mpampiasa. Mety hanaovana propagandy aoriana sa mba sa mba hamboarina mialohan’izay ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT