Fifamoivoizana

Lalana ratsin’Antananarivo renivohitra Ho vita tsara ao anatin’ny 10 volana


  • Alakamisy 05 Septambra 2019

Ao anatin’ny folo volana, tsy hisy intsony ny lalana ratsy eto Antananarivo Renivohitra, hoy atoa Rahaingoson Harifidy, talen’n y serasera eo anivon’ny ministeran’ny fananjariana ny tany sy ny toeram-ponenana ary ny asa vaventy.

 

 

 

 

Nambarany, fa arenina ary havaozina tanteraka ireo lalana ratsy rehetra eto Andrenivohitra ireo mandritra io fe-potoana voalaza io. Ny lalana ratsy any amin’ny faritra koa, dia efa mijery izany ny sampan-draharaha eo  anivon’ny ministera ary harenina sy amboarina koa ny lalana rehetra eto Madagasikara, indrindra fa ny renivohi-paritany. Izay lalana tena maika no tsy maintsy amboarina ary tsy hisy intsony izay lalana ratsy manerana ny nosy izay, hoy ny fanazavany. Mikasika ny lalana eny Besarety indray dia mizara roa.  Ny ampahany voalohany mialà eny amin’ny garazy David ary mifarana eo amin’ny fiolanana La Rotonde. Ny ampahany faharoa, miala eo amin’io fiolanana io ka hatreny amin’i Rasalama. Amin’ny 7 oktobra no vita tanteraka io lalana io, fa ny ampahan’ny voalohany, dia afaka handehanana amin’ity herinandro ity. Mikasika ny “voirie  péri-urbaine” dia tokony efa ho tapitra tamin’ny faran’ny volana aogositra teo ny fanamboarana azy, saingy noho ny fanambohana ny fanamboarana, dia nisy fihitarany kely amin’ny fahavitan’izany.  Ny “voirie péri-urbaine”, izay lalam-pirenena voalohany na RN1, izay mampimenomenona ny mpampiasa izany, mialà eo Anosizato, Itaosy  ary Ampitatafika, dia nahazo fampitandremana tamin’ny ministera ny orinasa mpanaboatra lalana. Izay zavatra vita dia tsy mifanaraka amin’ny kalitao, ka averina amboarina ary manenjika ny fahavitan’izany ny orinasa. Manampy ny isan’ny olona sy ny fitaovana ampiasaina koa ny orinasa. Tokony hisy koa ny fanaraha-maso ny fanamboarana lalana, fa tsy ampy izany ary tsy voaara-maso. Mamerina  ny fanarahamaso koa ireo mpanara-maso ary ho hentitra amin’izany.  Ny “Lot RN1” dia ny fanjakana no manara-maso izany. Nahazo fampitandremana koa  ny orinasa CCRC mpanamboatra io “Lot RN1” io, hoy ity tale ity. Jerena avokoa ny ampaha-dalana ratsy rehetra eto andrenivohitra na  ny “Rue de Tana” ary folo volana  ny faharetan’izany fanamboarana izany ary azo antoka tanteraka, hoy ny fanazavana  azo hatrany.

 

Sitraka r.  

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT