Fifamoivoizana

Làlana potika tsy misy mpijery Moto no itondrana razana any Anosibe an’Ala


  • Zoma 10 Febroary 2023

Miantra aman’aina tanteraka ny fahapotenan’ny làlana mampitohy an’i Moramanga sy Anosibe an’Ala.

Eo amin’ny 71km eo ny halaviran’io saingy manisa andro maro na mety ho volana mihitsy aza vao tonga any ny fiarabe kamio ireny raha ho tonga aza. Moto sisa no hany fitaterana ho an’ny olombelona, saingy efa tena ady mafy vao tonga any. Mampahonena ny zava-misy satria hatramin’ny razana aza dia hoentina amin’ny moto satria io sisa no hany vahaolana, tsy manan-tsafidy, fa dia ny fahatongavana any an-tanàna no zava-dehibe. Efa hatry ny ela no nampitaraina ny olona any an-toerana io saingy toa sehoseho no betsaka, kanefa hatramin’ny Filoham-pirenena aza toa efa tonga tany nampiseho “engins”. Ny vidim-piainana etsy andaniny miha midangana andro aman’alina satria ady aman’aina vao tonga any ny entana, mitombo ny mason-karena noho ny fahasarotan’ny fitaterana,… Tena ara-bakiteny ny hoe: lasa tany lavitr’andriana. Asa miandry propagandy manaraka indray ve hanaovana fampantenana fa tena hatao amin’izay ny làlana? Tsy any ihany io fa faritra maro manerana ny Nosy no mitaraina.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT