Làlana potika sy vidin-tsolika

Mizotra any amin’ny fiakaran’ny saran-dàlana


  • Alakamisy 04 Jolay 2024

Tsy maintsy hiroso amin’ny fampiakarana saran-dalana ihany noho izany ireo mpitatitra etsy

amin’ny Fasan’ny Karana izay mitovy fijery sy fikasana amin’ny koperativa Soatrans ihany koa. Amin’ny volana Aogositra any ho any daholo no hanatontosan’izy ireo izany mandritra ny fotoana mahabetsaka ireo mpiala sasatra mivoaka any amin’ny faritra. Ny faharatsian-dàlana mampitombo ny solika fandaniana solika sy ny halafon’ny saram-pikojakojana no nambaran’ny Soatrans Plus, fa antony hampiakarany ny saran-dàlana. Ny eny amin’ny Fasan’ny karana, taksibrosy 15 no nitsoaka an-daharana an-daharana tamin’ireo koperativam-pitaterana mivondrona etsy amin’ny Fasan’ny Karana tamin’ny taona 2023. Noho ny haratsian-dalana no nambaran’ny tompon’andraikitra fa antony nahatonga izany. Rehefa ratsy mantsy ny lalana hoy hatrany ity tompon’andraikitra ity dia mitombo ny fahavoazan’ny fiara iray raha mbola mitombo toraka izany koa ny solika lany. Hatreto anefa dia mbola tsy nisy mihitsy ny ezaka nataon’ny Fitondram-panjakana tamin’ny fanamboarana ireo lalam-pirenena na dia efa marobe tahaka izany aza ireo mpitatitra mitsoaka an-daharana. Anisan’ireny ny lalam-pirenena faharoa, fahaefatra, faha-enina, fahafito, faha-34….
Pati
Legende : Tsy maintsy hampiakatra saran-dalana ihany koa ny tobim-piantsonana ety amin’ny Fasan’ny Karana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT