Fifamoivoizana

Lalana potika Fatiantoka tanteraka amin’ny rehetra


  • Zoma 15 Jona 2018

Sehatra iray azo hitarafana ny fandrosoan’ny firenena ny fahatsaran’ny lalana misy ao aminy. Raha ny eto Madagasikara manokana, ohatra, izay firenena miankin-doha tanteraka amin’ny fambolena dia ilaina ny fahatsaran’ny lalana hamoahana haingana ny vokatra any amin’ny faritra.

 

 Raha ny eto an-drenivohitra manokana dia potika tanteraka  ny lalana ary saika misy fitohanan’ny fiara avokoa izay rehetra lalovana noho ny fahasimbany. Maro ny fantiantoka aterak’izany ankehitriny raha tsy hilaza fotsiny ny fotoana lany amin’ny fitohanan’ny fiarakodia izay mahatonga ireo fiara mpitatitra hiverina antsasa-dalana, ny fahapotehan’ny fiara, ny tsy faharisihan’ny vahiny hizahatany. Raha maka kaonty farany ambany ka raisina ho 4000 Ariary monja ny fatiantoka misy amin’ny fiara iray amin’ny solika laniny noho ny fitohanana ateraky ny lalana simba dia ambony be ny vola very. Mahatratra hatrany amin’ny 20 000 000 Ariary isan’andro ny fatiantoka, izany ho 600 tapitrisa ariary isam-bolana raha kajiana ho misy fiara 5000 mifamezivezy eto Antananarivo fotsiny. Ahoana tokoa moa no anantenana fampandrosoana haingana eto raha ny fotodrafitrasa tahaka ny lalana fampiasa isan’andro aza tsy misy fanamboarana ? Misy  ny fokontany mbola mitoka-monina sy anjakan’ny fanakanan-dalana ary ny tsy fandriampahalemana noho ny fahasimban’ny lalana. Tokony hojeren’ny tompon’andraikitra haingana io fa sady mandany fotoana no miteraka fatiantoka be ho an’ny vahoaka sy ny firenena manontolo.

Tsiry

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT