Fifamoivoizana

Lalàna momba ny “taxi” eto Iarivo Mamadi-dresaka ry Clémence FTAR, hoy ny Kaominina


  • Alakamisy 20 Jona 2019

Tsy nisy didim-pitondrana vaovao navoaka na voasonia momba ny « taxi-ville » fa taorian’ny fihaonana tamin’ny filankevitra monisipaly farany no nanazavana fa misy ireo fitsipika mifehy

 

 

 

 ny asan’ny fiarakaretsaka eto Antananarivo  nanomboka tamin’ny taona 1955 ka hatramin’izao izay maro dia maro, ka mila haravona ary hitondrana fanitsiana raha ilaina,  hoy Atoa Raveloson Landy Talen’ny fitaterana eo anivon’ny CUA. Io no setrin’ny fanenjehana ataon-dRaharinirina Clémence filohan’ny FTAR (Fikambanan’ny Taxi eto Antananarivo Renivohitra) mahakasika ny ambara fa didy sy lalàna vaovao nataon’ny CUA, ka nanaovany « sit-in » teny Tsaramasay omaly. Nalefa tany amin’ny FTAR sy ny VTM (Vondron’ny Taxi Matihanina) efa roa volana izay ny fangatahana soso-kevitra sy fanitsiana. Gaga sy talanjona anefa izahay, hoy io Tale io maheno fa misy ny famoriana na fitokonana hanoherana izany izay zavatra mbola tsy ofisialy fa fangatahana soso-kevitra sy fanitsiana. Fanoherana no mitranga, toy izay hitantsika tany aloha ihany, hoy izy. Tsy marina ihany koa ny filazana fa manana fifanarahana amina orinasa mpandoko ny CUA, fa efa misy ny “reference” manokana efa tamin’ny taona 2003, ka samy manaja an’io fotsiny ny rehetra. Raha maka hevitra ny kaominina dia fanoherana ny setriny, kanefa teo aloha nolazaina fa tsy mba alaina ny hevitr’izy ireo, ka nilazan’ity tompon’andraikitra ity fa misy hevitra ambadika tsy dia milamina loatra ao. 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT