Fifamoivoizana

Lalana mihotsaka eny Anjanahary Ahiana hitera-doza


  • Alatsinainy 28 Janoary 2019

Maro ny lalana mihotsaka eto an-drenivohitra ankehitriny noho ny fahalemen’ny tany vokatry ny rotsak’orana. Nahitana izany ny teny Betongolo, Anjanahary II S mialoha ny hidinana an’i Masikara manakaiky trano efa somary antitra.

 

 

 

 Manaitra ireo tompon'andraikitra mba hijery ity lalana ity fa tena efa kely dia kely sisa no tsy hihotsahany tanteraka kanefa dia lalana anisan'ny be fifamoivoizana, hoy ny fitarainan’ny manodidina. Efa tena mihotsaka tanteraka ary ahiana hitera-doza eo an-toerana izy io satria efa misy amin’ireo vato be aza no nianjera. Marefo tanteraka eo amin’io làlana io, ka mila mitandrina na ny fiara na ny mpandeha an-tongotra mandra-pisian’ny vahaolana mafonja raisin’ny manam-pahefana. Maro ny toerana saika manerana ny Nosy no misedra olana amin’izao fotoam-pahavaratra izao, raha tsy hilaza afa tsy ny tany Ambilobe nitoka-monina mihitsy izay nanaovana fanairana teto ka nitondran’ny fitondram-panjakana fanampiana ara-tsosialy, toy ny sakafo. Miandrandra vahaolana maharitra ny rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT