Fifamoivoizana

Lalana mihazo an’Ambohitrimanjaka Mody namboarin’ny Sinoa, efa simba sahady


  • Alatsinainy 12 Febroary 2018

Mody namboarin’ny Sinoa ilay lalana mihazo an’Ambohitrimanjaka nosimban’ny fiaran’izy ireo tamin’ny fanokafana ilay lalam-baovao mihazo an’Ambohidratrimo iny ny herinandro teo nentina nampitoniana ilay fitokonana notanterahin’ny vahoaka teny an-toerana, herinandro mahery lasa izay.

 
Mody nosarontsaromana sy notrongisina io lalana io, hoy ireo mpamily taksibe, hany ka efa simba sahady indray. Mitondra faisana tanteraka izy ireo vokatr’izany. Fiara roa isan’andro raha kely no mipotsaka resaoro. Mitombo ihany koa ny gazoala lanin’ny fiara. Nihena ho telo isan’andro ihany koa sisa ny toro vitan’ny fiara iray  raha nahatratra dimy teo aloha. Tena maty antoka  izahay, hoy ireo mpitatitra. Manao antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hanamboarana haingana ity lalana mankany Ambohitrimanjaka ity izy ireo. 13 km monja miala ny renivohitra mantsy no misy an’Ambohitrimanjaka. Miisa efatra ny koperativa misy amin’iny kaominina iny toy ny KOFIZA, ny KOFIBAM, ny FIBAM…Tsy miova ny saran-dalana fa mbola 500 Ar hatreto.

 

 

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT