Lalana miha ratsy anaty fahavaratra

Tsy azo ifamezivezena Andramasina


  • Alarobia 17 Janoary 2024

Namoaka naoty ny 12 janoary teo ny minisiteran’ny atitany sy fitsinjaram-pahefana

fa amin’izao andro fahavaratra izao dia hita fa miha ratsy ny lalana misy anatin’ny distrika. Isorohana ny fahasimbana sy ny loza mety hitranga aterak’izany dia tsy azo ataon’ny fiara rehetra ny mifamezivezy rehefa avy ny orana amin’ireto lalana mampitohy ireto kaominina manaraka ireto dia ny kaominin’ambanivohitr’Andramasina ka hatrany Alatsinainy Bakaro, Andramasina hatrany Ambohimiadana, Kaominin’ambanivohitr’i Mandrosoa sy Sabotsy Manjakavahoaka ary Anosibe Trimoloharano. Noho izany dia tsy maintsy miandry ny orana mitsahatra vao afaka mandeha. Ny mpitandro filaminana no mampihatra ny fanataterahana izao naoty izao. Hisy ny fampiharana ny sazy raha mandika ireo voalaza etsy ambony, hoy hatrany ity naoty hita ho niparitaka omaly ity. Nakanaka sary sy nitsangatsangana fotsiny ve izany, hoy ny fanontanian’ireo mpanara-baovao ireo hita ho nitondra fitaovana fanamboaran-dalana tany an-toerana? Izay ihany koa ve izany no valin’ny fanontaniana napetrakana filohana antoko politika iray izay hoe nankaiza ny volan’ny FR na “Fond routier” natao hanamboaran-dalana?
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT