Fifamoivoizana

Lalana miazo ny fasan’ny Karana Potika tanteraka, miteraka fitohanana goavana


  • Talata 05 Janoary 2021

Ahiana ho tsy azo aleha intsony ny lalana miazo ny tobim-piantsonana Fasan’ny

 

 

karana miainga eo Ankadimbahoaka rehefa kelikely eo. Potika tanteraka mantsy ny foto-drafitrasa izay mody niainga tamin’ny lavaka kely teo aloha saingy efa miitatra mameno ny arabe mihitsy ankehitriny. Vokany, mitohana izaitsizy ny fifamoivoizana na mandroso na miverina indrindra talohan’ny nankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona teo. Mbola nitohy hatramin’ny omaly alatsinainy izany izay mampitaraina ny maro tokoa. Nahatratra ora iray teo mantsy no lany niainga avy eny Anosizato niazo Ankadimbahoaka vao vita. Antso avo no hatao amin’ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Ministeran’ny asa vaventy araka izany. Tokony hovitaina mialohan’ny fotoam-pahavaratra mantsy ny lalana be fiara mifamoivoy tahaka ireny saingy izao mbola tsy misy mpijery sy mpikitika izao ihany ny eny amin’ny Fasan’ny Karana.

Pati

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT