Lalana miazo an’i Taolagnaro

Tata vaky kodiarana tra-doza, olona 12 no naratra


  • Talata 02 Jolay 2024

Fiara taxi-brousse iray Tata mampitohy an’Antananarivo sy Taolagnaro no fantatra

fa tra-doza teo amin’ny tetezana miala ny kaominina ambanivohitra Lanambinda omaly Alatsinainy 01 Jolay maraina tokony ho tamin’ny 08 ora tany ho any. Vokatry ny fahavakisan’ny kodiarana avy any aoriana tamin’ny ilany havanan’ilay fiara no nahatonga azy ny loza ka nahatonga azy ho latsaka tany anaty hantsana. Ny ilany havanana no lasa aloha tamin’izany. Miisa 12 ireo naratra mafy vokatr’izany izay efa samy nahazo fitsaboana avokoa hoy ny loharanom-baovao azo. Nentina niakatra ao Betroka hanohy ny fitsaboana azy kosa ireo hita fa tena voa mafy toy ireo tapa-tongotra sy tapa-tanana.Na izany aza tsy nisy ny aina nafoy. Maromaro kosa ireo entana potika sy simba nandritra ity loza nitranga ity.
Nangonin’i Pati
Legende : Nitrosona tahaka izao ilay fiara taxi-brousse TATA !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT