Fifamoivoizana

Lalana miakatra an’Ambohipo Amboarin’ny depiote Rastany


  • Alakamisy 22 Febroary 2018

Miverina manamboatra ny lalana mirefy 300 m avy ety Andohan'i Mandroseza miakatra ny tanànan'Ambohipo iny indray izay tena nampimenomenona ny mponina teny an-toerana ny Depiote TIM voafidy tao amin'ny boriborintany faha-2,



  Randrianarisoa Stanislas sy ny orinasa tarihany rehefa niato kely tamin'ny fanatanterahana ny asa niandry ny lalan-drano ho maina. Tsy maintsy natambatra aloha (collectés) tamin'ny fametrahana "tuyau" isan-tokantrano nahatratra 370 m amin’ny vidiny 30.000Ar ny metatra vao namboarina natao "largement armée" io lalan-dratsy io. Marihako fa tsy asana depiote izay mpanao lalàna velively ny manamboatra lalana nefa noho ny fahitako ny fahasahiranan'ny mponina sy amin'ny maha mpandraharaha teknisianina ny tena dia tsy nety raha tsy nirotsaka nanamboatra an'ity lalana ity, hoy ny depiote Rastany. Ny tena koa na tsy depioten'i Madagasikara aza fa fony mbola mpanolotsain'ny tanànan'Antananarivo dia efa zatra ny manome ny sahirana hatrany fa efa ra mikoriana ao anaty ny fanampiana olona. Ny karama azo avy amin'ny maha solombavambahoaka ihany dia avy amin'ny vahoaka ka tokony haverina hanasoavana ny vahoaka, hoy ity depiote ity. Mahagaga anefa fa izay indray no maty henjika etsy sy eroa na dia tokony hatao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra aza ny fanasoavana ny firenena.
Dia tanteraka tokoa izany ny "Miasa ho anao ny depiote Rastany" teny Ambohipo.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT