Fifamoivoizana

Lalana manodidina an`Antananarivo Misy dezaka mihoatra ny any ambanivohitra


  • Zoma 02 Oktobra 2020

Tsy hasian-teny intsony ny haratsian` ny lalana ao Antananrivo Renivohitra. Lavaka no mameno ireo lalana.

 

 

 

Fa mba tahaka ny ahoana ny any amin` ny manodidina azy ? Toy ny any amin` ny tany tsy misy olona sy lavitr`andriana ny haratsiany. Rehefa main-tany dia vovoka no iainana. Rehefa fahavaratra dia ranom-potaka, hany ka misy mihitsy ireo làlana tapakavokatry ny rotsak’orana. Ny fitondram-panjakana dia manambara foana fa “mijery ireo fotodrafitrasa simba ary mijery ny fanarenana izany ao anatin’ny fotoana fohy. Hojerena haingana izay atao “radier”na “pavé”. Efa mikaon-doha ireo minisitra, amin’ny fijerena ny fametrahana fotodrafitrasa maharitra mandritra izao fanarenana izao.” Kabary efa miverimberina foana izany. Tsy mila mandeha lavitra isika eto an-drenivohitra dia toy ny any amin` ny faritra ambanivohitra. Etsy Vontovorona fotsiny ohatra, PK 15 km, dia vovoka sy lalan-dratsy no iainan`ny mponina any an-toerana. Nefa misy ny mpamokatra, ny mpiasa, ny mpianatra eny amin` ny sekoly ambony polyteknika. Eny ihany koa no misy ny foibe ho an` ny fanatanjahantena sy ny fialamboly an` ny CNaPS, izay marihana fa efa nandraisana lalao iraisam-pirenena tamin` ny taranja baolina kitra. Misy toeram-pitsanganana maro. Mikasa ny hampiroborobo ny fizahan-tany anatiny moa ny fitondram-panjakana ka sao ireny lalana ireny no hanaovana ezaka bebe kokoa fa tsy maika amin` ny tanàna vaovao foana. Mila tamberim-bidy ny mponina fa toa ampandeferina foana kosa.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT