Làlana mampijaly

vahoaka ao Ambodihady


  • Alatsinainy 09 Febroary 2026

Nataon’ny depiote Todisoa mpanao

lalàna fa tsy ny nipoitra ny mpanao làlana
Làlana eo amin’ny 500m eo no mampitaraina ny mponina an-taonany maro indrindra ho an’ny ankizy sy ireo efana nahazo raona ao Ambodihady Ambohimanarina, efa nanaovana fitarainana tany amin’ny tompon’andraikitra voakasika fa tsy nisy valiny mahafa-po hatramin’izay. Vokany, ny solombavambahoaka Todisoa Andriamampandry no niditra an-tsehatra nanao izany ho famahana ny fahasahiranan’ny mponina izay eo ambany fiahiahiany. « Na tsy asan’ny solombavambahoaka aza ny manao làlana dia noraisiko ho andraikitra ny fitarainan’ny vahoaka, natao ny làlana, efa manomboka, sahabo ho 500m ny halavany, ka amboarina atao béton, hahafahan’ny olona mandeha satria mijaly ny olona, betsaka no efa naratra teo, indrindra amin’izao fahavaratra izao », hoy ny depiote Todisoa Andriamampandry. Efa herinandro izay no nanombohan’ny asa, ary kendrena ho vita hatramin’ny faran’ny volana, ka niantsoan’io depiote io ny vahoaka mba hikajy sy hokojakoja izany. Homena ny vahoaka madiodio ny fotodrafitrasa, ary azon’ny rehetra ampiasaina satria tsy mialon-jafy ny eny an-toerana raha ny nambarany. Nampanantena moa ny depiote Todisoa Andriampampandry fa raha mbola homen’Andriamanitra hery dia vonona hanao izay mety rehetra ho an’ny vahoakan’Ambohimanarina. Nankasitraka ny fandraisana an-tanana ny asa nataon’ny Depiote Todisoa moa ireo vahoaka izay naneho fa efa hatry ny ela no niandrasana ny teknisianina voalaza fa ho avy hanao ny asa saingy tsy tonga 4 taona aty aoriana, nisy tonga fa tohatohatra 2 no nataony. « Tsy ny hanina hoaninay no olana, fa ny làlana, rehefa avy ny orana anaty ranom-potaka,… ka isaorana ny depiote Todisoa»., hoy ny mponina. Nanamafy moai o depiote io fa tsy hijanona amin’ny resaka làlana ny asa sosialy izay hataony, fa hisandrahaka hatrany amin’ny zavatra maro izay miompana amin’ny soa iombonana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT