Fifamoivoizana

Lalana etsy Ambodin’Isotry 5 taona tsy nisy fanamboarana


  • Zoma 06 Janoary 2023

Anisan’ny lalana voasokajy ho be mpivezivezy indrindra ny lalana etsy Ambodin’Isotry, kaominina Antananarivo renivohitra.

Mahatratra an-jatony isan’andro mantsy ireo fiara mivezivezy eny an-toerana indrindra fa ireo taxibe miasa eto an-drenivohitra. Ny mampalahelo anefa raha araka ny fitarainan’ireo mponina dia efa 5 taona izao no tsy nisy fanamboarana intsony ity lalana ity. Misy hatrany ny fitohanana eny an-toerana noho izany izay tena mampikolay ny maro tokoa indrindra fa rehefa sabotsy andro tsena. Manampy trotraka izany hoy ireo mponina ny fisian’ireo rano maloto avy any an-tokantranon’ireo mponina sasany migorodana avy hatrany eny amin’ny arabe ka sady miteraka fofona sy loto no vao mainka manimba sy mangoaka ilay lalana. Ho an’ny taxibe 147 manokana moa dia fantatra fa tsy maintsy mampiasa iny lalana iny izy ireo isan’andro. Ny olana anefa dia mila tsy hahafeno versement izy ireo vokatr’ilay fitohanana eny an-toerana hany ka miraviravy tanana ireo mpamily sy ny mpanampy azy. Ankoatra ny lalana eny amin’ny 67 ha moa dia misy simba tokony hamboarina ihany koa ny eny Ampefiloha sy Ankasina ka tokony handraisan’ny Fitondram-panjakana andraikitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT