Fifamoivoizana

Lalana eto Antananarivo Tsy mandeha amin’ny laoniny


  • Talata 21 Janoary 2020

Ny kaominina sy ny mpitandro filaminana dia hita miasa eny rehetra eny fa ny fotodrafitrasa no tsy maharaka.

 

 

Na dia betsaka aza ny lalana amboarina na ireo lalam-pirenena na « rocade » vaovao dia mbola misy toerana tena tsy afaka fitohanana. Ohatra ny etsy Andohatapenaka, dia nisy ampahan-dalana tsy vita kanefa raha ny tetiandro, ny faran’ny taona teo no namitana azy. Eny Fasan’ny karana, ny arabe dia feno lavaka ka ny tampitampina « bombô voanjo » aza amin’ny toerana maro tsy misy intsony. Manoloana ny tsenan’i Namontana, misy lavaka be ka sahirana ny mpampiasa lalana. Mahavariana anefa fa toa tapenana io lalana io rehefa vanim-potoam-pifidianana. Amin’izao dia mizotra miadana ireo fiara madinika, eny fa na dia ireo tsy mataho-dàlana hita fa efa mihamaro eto an-drenivohitra koa aza dia mitsitsy lavaka.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT