Fifamoivoizana

LALANA ETO AN-DRENIVOHITRA Simba ny ankamaroany, tsy misy tompon’andraikitra mijery


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Simba ny ankamaroan’ireo lalana eto an-drenivohitra. Raha somary azoazo kely izany teo aloha teo dia nahazo vahana sy niitatra indray hatramin’ny niavian’ny ranon’orana ny herinandro teo.

 

 

Anisan’ny tena mampitaraina ny maro ny etsy Ambodin’Isotry akaikin’ny aigle noir izay sady goakabe no hiandronan’ny rano maloto. Raha tokony ho 10 minitra raha betsaka no hivoahan’ny taxi-be iray miainga eo Ambodin’Isotry miazo ny tobim-piantsonana FOP 67 ha dia lasa hatao hatramin’ny 45 minitra izany, indrindra rehefa andro Sabotsy tsena iny. Toraka izany koa ny eny Antohomadinika manaiky ny tobim-piantsonana miazo an’i Mahitsy izay miteraka fitohanana goavana hany ka saika tara avokoa ireo mpiasa sy mpianatra mampiasa iny lalana iny isan’andro. Raha araka ny fanadihadiana hatao teny an-toerana moa dia tsy mbola nisy tompon’andraikitra tonga nijery ireo lalana ireo mihitsy teto an-drenivohitra hatramin’izay. Antso avo araka izany no hatao amin’ireo tompon’andraikitra voakasika mba hijery akaiky ireny foto-drafitrasa hiankinan’ny fiainam-bahoaka ireny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT