Fifamoivoizana

Lalana eto an-drenivohitra Lavitra be ny makety naseho ny zavamisy marina


  • Zoma 03 Febroary 2023

Raha ny kabary sy fampanantenana nataon’ny kandida laharana faha 13 tamin’ny propagandy taona 2018, dia efa

tsy tokony nisy arabe nisy lavaka izany intsony teto an-drenivohitr’i Madagasikara ary efa hita misongadina ireo fotodrafitrasa vaovao fanatsarana ny efa nisy. Tafiditra ao anatin’izany ny Tanàna vaovao Tanamasoandro sy ny Flyover Anosizato, Ampasika. 4 taona aty aoriana, hafa mihitsy ny sary hita, arabe tsy hoe misy loaka fa efa tena lasa lavaka feno rano mihitsy, arahana loto…tapitra ahitana simba ny lalana rehetra misy eto Antananarivo renivohitra sy mizotra mankany amin’ireo kaominina manodidina azy. Mazava ho azy fa miteraka fahasimbana sy fatiantoka ary loto ireny izany hoe misy vokany ratsy amin’ny toekarena. Tena hafa n makety kisarisary nentina nambabo ny fon’ny mpifidy, fa zavatra hafa mihitsy no misy sy mitranga avy eo. Iza no tsy mahita izany hoe arabe efa lasa lavaka sy fotaka izany eny Isotry, Ankasina, 67 ha…kanefa tamin’ny vanim-potoanan’ny valan’aretina Covid 19 dia nodradradradraina fa araraotina amboarina avokoa ireo lalana simba eto an-drenivohitra.Inona akoary ny teo. Rehefa ena alohalika ny ranom-bary vao hoe andao hanamboatra lalana, dia avy eo hoe ajanona indray aloha ny fanamboarana fotodrafitr’asa fa aleo mifantoka amin’ny sosoialim-bahoaka, dia asa indray afaka herinandro vitsitsivy hoe hanao inona indray. Tsy nisy firenena ratsy lalana ka hoe nandroso izany, ary tokony misongadina sy atao fitaratra ny heo renivohitra. Dia efa mazava ny resaka izany izao fa azo itarafana tsara ny fikorontanam-pitantanana sy ny fihemorana eto Madagasikara io haratsin’ny lalana eto Antananarivo io e.
RTT
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT