Fifamoivoizana

Lalana eto an-drenivohitra Hampiasa teknika manara-penitra ny CUA


  • Alarobia 31 Janoary 2018

Na dia nailika foana aza ny kaominina an`Antananarivo Renivohitra (CUA) tamin`ny asa fanamboarana fotodrafitrasa dia naverina taminy ny andraikitra amin`ny fanamboaran-dalana eto Antananarivo izay tena tsy manara-penitra ny fanatanterahana izany satria potika sy rava tokoa ny lalana na dia nanentsina sy nanamboatra ny sasantsany aza ny fitondrana foibe.

Ireo lalana eny amin`ny boriborintany voalohany sy fahatelo no nanombohana ny asa fanarenana. Ny eo amin`ny ara-teknika indray dia nanambara ny talen`ny asa vaventy eo anivon`ny kaominina, Atoa Razafimahefa Elysè, fa na ao anatin`ny  vanim-potoanan`ny fahavaratra dia ho atao manaraka ny fenitra ny fomba fiasa ary tara mangatsiaka na `` goudron enrobé à froid``no akora hampiasaina izay vatsian`ny orinasa Colas ka haharitra roa andro ny fanatanterahana ny asa. Ny kaominina Antananarivo Renivohitra no mamatsy vola an`ireo tetikasa ireo sady manaraka sy manatanteraka izany hatramin`ny farany. Na dia nisy aza ny  sakantsakana hatrizay dia tsy natao nahakivy satria tsy maintsy mikaroka vahaolana sy miroso hatrany, hoy ny tompon’andraikitra avy ao amin’ny CUA.Mitohy amin’ny fampiharana ny drafi-pandaminana ny tanàna mifanaraka amin’ny fivoaran’ny tontolo ary tsy hanao fanorenana vonjitavanandro fa matoa manorina dia atao maharitra izay. Tsy maintsy atao izay mampilamina an’Antananarivo Renivohitra mba hahate honina sy ho lova tsara ho an’ny taranaka faramandimby.

 

Marigny A.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT