Fifamoivoizana

Lalana eny Ambodivona Tsy mety vita, mahazo vahana ny fitohanana


  • Zoma 08 Janoary 2021

Tsy mety vita ny asa fanamboaran-dalana eny Ambodivona. Mihamahazo vahana

 

 

hatrany anefa ny fitohanana eo an-danin’izay ka mampitaraina ny maro. Ireo taxibe no tena lasibatra raha araka ny fanazavan’ny mpamily iray. Raha tokony hahavita “tour” mandroso sy miverina 4 isan’andro mantsy izy ireo dia lasa nihena ho 2 isan’andro izany sisa. Ny volan’ny tompona fiara anefa eo an-daniny tsy maintsy henjehina. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny Ministeran’ny asa vaventy araka izany ireo mpampiasa lalana mba hijery akaiky ity asa fanamboaran-dalana eny Ambodivona ity. Efa ho 2 volana mantsy izay tsy mety vita ny asa nefa anisan’ny toerana be olona sy mpampiasa lalana iny faritra iny.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT