Lalana « DESCOUR » Sonierana

Simba tanteraka, miteraka fitohanana goavana


  • Alakamisy 13 Febroary 2025

Simba tanteraka ny lalana etsy Soanierana ampitan’ny Descour.

Ny ilany an-kavanana raha miazo an’Ankadimbahoaka no tena voakasik’izany izay marihina fa manangon-drano mandavan-taona no sady miteraka fitohanana tsy hita pesipesenina. Tonga hatreny Ankadimbahoaka ny fitohanana ateraky ny haratsian’io lalana io isan’andro izay manodidina ny 500 metatra eo ho eo ny halavany. Saika mijaikojaiko avokoa mantsy ireo mpampiasa lalana mitsapa lavaka mba tsy hanimba ny fiara entiny. Efa miaka-bidy andro aman’alina rahateo ny vidin’ireo karazana kojakoja fanamboarana fiara amin’izao, nefa tsy mety tsapan’ny Fitondram-panjakana izany. Fantatra moa fa tara avokoa ireo mpianatra sy mpiasa mampiasa iny lalana iny isan’andro raha vao tsy miala amin’ny 05 ora sy sasany maraina any an-tokantranony. Anisan’ny tena mafy indrindra amin’izany ny andro Alakamisy hisian’ny tsenan’i Mahamasina. Miantso ny Ministera voakasika sy ny kaominina Antananarivo renivohitra araka izany ireo mponina eny amin’iny faritra iny mba hijery akaiky ity lalan-dratsy mampijaly olona eny Soanierana ity.
Pati
Legende : Ratsy saingy tsy misy mpiraharaha ny lalana ety Soanierana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT