Fifamoivoizana

Lalana Avarabohitra Itaosy Tena atao manara-penitra


  • Alakamisy 14 Desambra 2017

Tena hatao manara-penitra ny asa fanamboarana ilay lalana eny Avarabohitra Itaosy mirefy 2 km mahery, hampiasain’ny solombavambahoakan’Atsimondrano ilay vola azon’ity distrika iray ity tamin’ny alalan’ny Comité Local de developpement (CLD).

  Efa nanomboka ny herinandro teo ny asa, haharitra iray volana. Ny orinasa Batime no mandray an-tanana ny raharaha. Natao hahazaka ireo fiara vaventy an-taoniny maro izay mifamezivezy mampiasa iny lalana iny isan’andro ny fotodrafitrasa. Misy hatrany ny fanaraha-maso ny asa vita, raha araka ny fanazavan’ny solombavambahoakan’Atsimondrano Voahangy Raharimanantsoa. Averina izay tsy mety, indrindra fa ny fanamboarana ireo tata-drano hivarinan’ny rano maloto. Nomarihiny fa tsy misy ny fandraisan’anjaran’ireo olona manana fiara vaventy marobe eny amin’iny faritra Avarabohitra iny. Ampy ny vola azo tamin’ny alalan’ny CLD, hoy izy. Tanjona ny hahafahana miteny ireny olona ireny amin’ny zavatra tsy mety ataony toy ny fanampenany ny lakandrano sy ny fandraisany anjara feno raha sanatria ka manimba ny fotodrafitrasa efa vita izy ireo. Nomarihin’ity solombavambahoaka iray ity fa ny manara-maso ny asa fotsiny no andraikitr’izy ireo. Anjaran’ny tahirimbolam-panjakana ny mandoa ny karaman’ny orinasa nandray an-tanana izany fa tsy izahay solombavambahoaka akory, hoy izy.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT