Fifamoivoizana

Lalana Avarabohitra Itaosy Mila 50 tapitrisa Ar ny fanamboarana azy


  • Talata 21 Martsa 2017

Potika tanteraka ny lalana eny Avarabohitra ao anatin’ny kaominina Itaosy amin’izao fotoana izao.

Tao anatin’izay iray volana mahery  efa nijalian’ny mpampiasa lalana sy ny mponina izay anefa dia tsy mbola nisy mihitsy ny vahaolana raikitra hita. Araka ny fanazavan’ny sefom-pokontany ao Itaosy Rakotobe Joseph dia efa miezaka ihany izy ireo manao izay ho afany. Efa nitety Fokontany maro izahay hoy izy toa an’Avaratetezana, Ambohimamory,  Andranonahoatra ary  Avarabohitra saingy raha vantany vao fantatry ny olona fa tsy lalana kaominaly intsony io lalana simba io fa lalana faritany dia nihemotra avokoa ny olon-drehetra. Nilaza ho tsy manana tetibola hanamboarana ny lalana ihany koa ny kaominina Itaosy hoy hatrany ity sefom-pokontany ity ka ireo malala-tanana sisa no nanangona izay kely vitany. Mbola sarotra ihany anefa ny fandidiana hoy hatrany Rakotobe Joseph satria raha 50 tapitrisa Ar no lela-vola ilaina hanamboarana io lalana 1 Km io dia vao sivy tapitrisa Ar monja no voaangona hatreto. Niezaka ny nanatona ny solombavambahoaka voafidy tamin’ny anaran’ny antoko TIM eny Itaosy izy ireo ny 13 martsa lasa teo  ka ity tompon’andraiki-panjakana ity indray no fantatra fa  hitondra ny fitarainana eny anivon’ny Ministera Tompon’andraikitra. Tsiahivina moa fa kaominina manodidina ny fito raha kely no mampiasa ity lalana eny Avarabohitra Itaosy ity toa an’i Fiombonana, Ambohidrapeto, Itaosy, Andranonahoatra,  Bemasoandro, Ambavahaditokana…

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT