Taorian’ny fanambarana nataon’ny kaominina Antananarivo renivohitra mikasika ny asa fanamboaran-dalana tsy maintsy hiantsorohan’izy ireo mialohan’ny fotoam-pahavaratra dia fantatra fa nanomboka, omaly, izany.
Ny teny amin’ny tobim-piantsonana 30 teo aloha, miazo an’i Vatobe no nisantarany izany, asa haharitra 1 volana. Tapaka nanomboka omaly araka izany ity lalana ity. Anisan’ny manara-maso akaiky ny fizotry ny asa sy tompon’andraikitra voalohany ny kaominina Antananarivo renivohitra raha ny Ministeran’ny asa vaventy kosa no tompon’antoka amin’izany. Ho an’ny kaominina Antananarivo renivohitra manokana moa dia fantatra fa manodidina ny 4 km eo ho eo ny lalana tsy maintsy hamboarin’izy ireo manerana ireo Boriborintany 6 mandrafitra azy mandrapilatsaky ny ranon’orana. Tanjon’izy ireo ny hanamaivanana ny fahasahiranan’ny mpampiasa lalana sy ialana amin’ny fitohanana izay efa tena mampitaraina ny maro tokoa.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.