Fifamoivoizana

Lalana Arivonimamo - Faratsiho Vitao ny asa, hoy ny Depiote Rodin


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Tany mamokatra i Manalalondo, saingy lavitra andriana, noho ny faharatsian’ny lalana. Hetahetan’ireo mponina any an-toerana hatramin’izay ny mba hahavitan’ny lalana, hahafahan’ny vokatra mivoaka araka ny tokony ho izy.

 

 

Kaominina maro eo anivon’ny distrikan’Arivonimamo, sy ireo distrika manodidina no hahazo tombotsoa amin’ny fahavitan’ity lalana ity araka ny fanazavana. Mitaky ny hamerenena ny vola natokana saika hanaovana ny RIP, mampitohy an’Arivonimamo mivoaka an’i Faratsiho, tamin’ny fotoanan’ny tetezamita araka izany ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato. Takiany ihany koa ny hahavitan’ity lalana ity, mba hanatsarana ny fiainan’ireo tantsaha marobe amin’ny faritr’Itasy sy ny manodidina.Nivoitra izany omaly nandritra ny fametrahana , ny ben’ny tanànan’ ny kaominina Ambanivohitra Manalalondo amin’ny toerany. Marihina moa fa fianakaviana iray no voan’ny Covid 19 tany Manalalondo. Na ny fanafody nentina nitsaboana ireo marary ireo aza anefa tsy nisy ka tany Imerintsiatosika no nihaazakaza izy ireo. Ny CSB II ao Manalalondo eo an-daniny dia fantatra fa tsy mba nahazo afa-tsy aron-tava sy aroloha ka tsy nisy azon’ireo mpitsabo natao. Antso avo araka izany no hatao amin’ny Fitondram-panjakana mba tsy hanao zanak’Ikalahafa ity toerana ity.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT