Fifamoivoizana

Làlana ao Ambanja Nomena baiko ny orinasa hamerina ny asa tsy nety


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

Hentitra ny tenin’ny Ministry ny Fanajariana ny Tany sy ny Asa Vaventy, Hajo Andrianainarivelo,

 

 

 

 raha nidina nijery ifotony ny fanamboarana ny làlana rarivato ao an-tampon-tanànan'Ambanja izy. Nomena baiko ny orinasa nanao ny làlana hamerina tanteraka ireo làlana namboariny, ary mba hanarahany ny bokin'andraikitra. Nomena fe-potoana hamerenana izany fanamboarana izany ny orinasa. Tsy azo ekena intsony, hoy i Hajo Andrianainarivelo, ny gaboraraka sy ny fandanindaniam-poana ny volam-bahoaka, ny fanaovana asa tsy manaraka ny kalitao voarakitra anaty bokin'andraikitra. Ho hentitra avokoa ny fanaraha-maso ny asa avy amin'ny tsenan'asam-panjakana rehetra, ary tsy handefitra amin'ireo mpanao kitoatoa ny fanjakana.

 Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT