LALANA ANTSALOVA – MAINTIRANO

Tapaka 5 volana rehefa avy ny orana, mbola tsy ho amboarina


  • Alakamisy 18 Jolay 2024

Ny lalana RNT8 A mampitohy ny distrikan’Antsalova sy Maintirano hatreto no anisan’ny lalana

tena mampitaraina ny mpampiasa lalana indrindra. Tapaka eo amin’ny 4 ka hatramin’ny 5 volana eo ho eo mantsy izy io rehefa milatsaka ny orana ka tsy misy fiara afaka mandeha intsony eny fa dia ireo tsy mataho-dalana aza. Na izany aza anefa raha araka ny fanazavan’ny talen’ny asa vaventy dia mbola tsy hoamboarina ato ho ato io lalana io. Olana maro samihafa anefa no ateraky ny fahapotehan’ity lalam-pirenena ity raha tsiahivina. Anisan’izany ny tsy fahafahan’ny mponina mifamezivezy sy mamoaka ny vokatra. Tsy latsa-danja amin’izany ny tsy fahafahan’ireo taxi-brousse miditra miasa mitatitra ny mponina any amin’ireo distrika miisa roa ireo. Voatery mandeha fiara mpitatitra entana toy ny kamiao ny mponina noho izany, antony niteraka ilay lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona miisa 11 ny faran’ny herinandro teo teo Bemonto. Mbola manaraka fitsaboana kosa ireo 5 hafa naratra. Mirefy 120 km moa raha tsiahivina ity lalana mampitohy an’Antsalova sy Maintirano ity.
Pati
Legende : Mitaingina kamiao mitovy amin’ny omby tahaka izao ny olona rehefa mandeha any Antsalova sy Maintirano samy Faritr’i Melaky !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT