Fifamoivoizana

Lalana Anosivavaka Ambohimanarina Nanome tanana indray ny depiote Horace


  • Sabotsy 31 Martsa 2018

Tsy nionona tamin’ny fanentsenana ireo lavaka be teo amin’ilay lalana Anosivavaka midina any amin’ny Soam eny Ambohimanarina nanomezany tanana ny fokonolona ny depiote TIM, Rasoanoromalala Horace, fa mbola nanolotra fasika sy vatokely ary ciment 15 lasaka indray ny tenany ny talata 27 martsa lasa teo hanamafisana “béton” an’io ampahan-dalana io.

 

MIASA HATRANY - MIASA IHANY no filamatra, hoy izy nanoloana an’ireo solontenam-pokonolona nanaterana ny tsirambin’ny tanany.  Na dia tsy anjaran'ny Depiote aza ny manao ny fotodrafitrasa fa an'ireo mpanatanteraka na fanjakana foibe na ny ety antoerana dia nandray ny anjara nanandrify azy izy noho ny tranga niaraha-nahita sy noho ny fitarainan’ny mponina teny an-toerana ary nanambara ihany koa fa  hiady amin’ny hanamboaran’ny tompon’andraikitra ireo  lalana izay mila fanamboarana haingana mba hampandry fahalemana ny vahoaka.

Ntsoavina Evariste


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT