Fifamoivoizana

Làlana Anosibe an’Ala Mitohy ny antso avo sy fitarainana


  • Alatsinainy 22 Aogositra 2022

Manao izay ho afany ireo mpandraharaha mampiasa ny lalana RNT23A mampitohy an'Anosibe an'Ala sy Moramanga amin'ny fikarakarana, fa indrindra ity eto amin'ny tetezana Sahamarirana sy ny lalana tapaka ao Ankazobe.

Mampalahelo anefa hoy izy ireo dia misy olom-bitsy manimba hatrany izay ezaka kely vitany. Nampanantenaina fa hatomboka afaka iray volana kanefa tsy hita ihany. Nandray fepetra hoe: hanao hanamboatra ilay làlana satria mijaly, betsaka ilay entana very, ny gazoala miakatra, ny saran-dàlana miakatra. Tsy maintsy manamboatra izay vao afaka mandeha ny fiara. Ao anatin’ny 4 andro no hanaovana an’i Moramanga-Anosibe an’Ala, tsy tonga any Anosibe an’ala ny fiara fa eo amin’ny PK 60, raha toa ka 71km Anosibe an’Ala, kibota no mitatitra entana fa tena tsy afaky ny fiara intsony. Hatreto, in’efatra farafahakeliny no manao “transbordement” ny fiara mpitatitra entana iray raha miala eto Moramanga ho any Anosibe an'Ala araka ny fanazavana nataon'ireo mpitatitra sy mpandraharaha tamin’ny alalan’Atoa Randrianandrasana Velonarivo Olivier. Mangataka amin’ny Fanjakana noho izany izy ireo mba hatao tara, na farahafaratsiny hatao toto vato ny làlana.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT