Fifamoivoizana

Lalana Ankadimbahoaka sy By Pass Nanomboka ny famendrahana tara


  • Alakamisy 23 Martsa 2023

Efa nanomboka ny famendrahana ny tara na “goudron” ny lalana mampitohy an'Ankadimbahoaka sy By Pass ny orinasa manamboatra iny lalana iny omaly,

hoy ny fampitam-baovao voaray. Ho vitaina amin'ny faran'ity herinandro ity ny fanamboarana io ampahan-dalana io. Ny lalana mampitohy an'Ambodin'Isotry sy "Aigle noir" kosa dia efa vita ny "scarification" na fanetsemana ireo kilavadavaka amin’ny lalana ary efa manomboka ny "travaux de compactage" na fanamafisana ny orinasa. Ny asa rehetra izay tanterahin'ny orinasa Magic amin'ireo ampahan-dalana miisa 2 ireo dia eo ambanin’ny fanaraha-mason'ny LNTPB sy ireo teknisianin’ny minisitera. Manentana sahady antsika mpampiasa lalana sy isika rehetra mipetraka manamorona ireo lalana hikajy sy hanaja hatrany ireo fotodrafitrasa hiarovana azy ireny tsy ho simba, hoy hatrany ny fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT