Fifamoivoizana

Lalana Ankadimbahoaka-By Pass Natao resaka akamakama indray ?


  • Alakamisy 30 Martsa 2023

Mandeha indray ny fomba fiasa hafahafan’ny Fanjakana ankehitriny eo amin’ny lafiny fanamboarana làlana. Asa maika na “travaux d’urgence”

no nentina nanamboarana ny làlana mampifandray an’Ankadimbahoaka-By Pass. Tao anatin’ny 10 andro no nanaovana ny asa, volam-panjakana amin’ny alalan’ny ministeran’ny asa vaventy. Voalaza anefa, fa tsy nisy antso tolo-bidy fa tonga dia nomena ilay orinasa. Io orinasa io ihany koa no nahazo ny tsena fanamboaran-dalana eny Ambodin’Isotry–67 ha. Nisy fotoana efa tazana nanamboatra lalana teny Andranonahoatra ihany koa izy io. Mahoraka be fa tandapa no tompony. Izao izany no tanjona amin’ilay fanapahan-kevitra tamin’ny 19 janoary fa tsy ampandalovina tsenambaro-panjakana ny fanamboarana làlana maro noho ny hamehana? Fanahy iniana andrasana simba be mihitsy ve anefa ny lalana, izay vao hoe amboarina dia alefa amin’ilay hoe asa maika dia amin’izay tsy manaraka ny an-tanan-tohatra “appel d’offre”, fa tonga dia atao tolo-botsotra amin’ny akamakama? Efa fomba fiady nandritra ny “covid-19” ny hoe: asa maika dia tsy misy “appel d’offre” noho ny hamehana. Mety noho izany koa ve no nanaovana toetra tsy zaka tamin’ireo orinasa mpikojakoja sy mpanao lalana, tsy nomena vola, ka rehefa kivy sy ketraka dia tsy mazoto hiara-hiasa amin’ny fanjakana intsony dia malalaka be ny lalana ho an’ireo orinasa akamakama hahazo ny tsena rehetra? Tsy maharaka ny fanamboarana ny lalana rehetra eto Madagasikara anefa ireo orinasa akamakama ireo dia ny vahoaka foana no miaritra eo noho ny fitiavan-tena sy ny kiantrano an-trano.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT